2424.mgArticles similaires
Tontosa anio teny Iavoloha ny fifampiarahabana nahatratry ny taona vaovao teo amin’ny Filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka araka ny fangatahana nataon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena. Tsy feno ihany anefa ity fifampiarahabana ity satria tsy hita teny an-toerana ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko mpanohitra. Nanambara moa ireto farany fa mandika ny lalàm-panorenana izao fihaonana izao.













