Mitohy ny asa fanavaozana ny kianjan’ny Mahamasina raha ny tatitra navoaka ao amin’ny pejy fesibokin’n’ny “Tetikasa Kianja Barea “ ny 14 aprily. Na dia misy aza ny fahataran’ny tetiandro napetraka dia nanao fanambarana ny tompon’andraikitra fa hezahina ny ahafahana mampiasa ny kianja amin’ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovantena.














