Maro ny olona sahirana amin’izao fihibohana izao, noho ny tsy fisian’ny fitateram-bahoaka. Misy amin’ireo ary mandeha tongotra mamonjy ny toeram-pitsaboana. Mba hanampiana ireo olona ireo dia nilatsaka an-tsitrapo ny ekipa avy ao amin’ny Compassion Madagascar, mba hanome fitaterana maimaim-poana, hanalana fahasahiranana ireo olona marary na vehivavy bevohoka.













