Mpianatra miisa 1 218 tamin’ireo 22 541 voasoratra anarana no tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC ny marainan’ny alatsinainy 09 septambra 2019. Io no nambaran’ny Chef Cisco Antananarivo-Renivohitra, Lalaina Ramananantony.
Ny taranja Malagasy no nentina nanombohana ny fanadinana, ary nifantoka tamin’ny tontolon’ny asa sy ny fiantraikany eo amin’ny fiainam-pirenena ny laza adina.
Vinavinaina hivoaka amin’ny faran’ny herinandro ambony ny valin’ity fanadinam-panjakana ity ho an’Antananarivo-Renivohitra ihany.













