Samy nahatsapa ilay horohorontany nitranga ny alin’ny 13 may ny olona tamin’ny faritra maro teto Madagasikara. Misy anefa ireo no mametra-panontaniana amin’ny antony niavian’iny tranga iny. Nanazava ary ny avy eo anivon’ny Institut d’Observatoire de Géophysique d’Antananarivo (IOGA) fa fihetsehana « failles tectoniques » tany Fandriana no niteraka iny fihetsehan’ny tany iny.













