Météo : Ho maina ny andro ary hiakatra ny marim-pana eto afovoan-tany mandritra ny roa na telo andro
Araka ny fanambaran’ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra toetr’andro dia volana hiampitana amin’ny andro ririnina izao volana May izao. Ho maina ny andro ary hiakatra ny marim-pana eto afovoan-tany ato anatin’ny roa na telo andro. Mbola hangatsiaka kosa ny amin’ny tapany maraina sy ny hariva ary hafana ny amin’ny atoandro.













