Mpiadina miisa 9 691 tamin’ireo 27 543 nisoratrana anarana ihany no afaka fanadinana BEPC tamin’ity taom-pianarana 2018-2019 ity, izany hoe 36,91% ny taha-pahombiazana. Tahan’isa izay nahitana fidinana 12%, raha oharina tamin’ny taon-dasa.
Ny fahalavan’ny taom-pianarana no isan’ny nampidina ny vokatra raha ny nambaran’ny Chef CISCO Antanananarivo Renivohitra, Lalaina Ramananantony.













