Tsy afaka mivoatra sy mifaninana amin’ny kalitaon’ny boky vahiny ny boky malagasy. Araka ny voalazan’i Haritiana Andrianavalotseheno na i « Rakemba », mpanoratra sy mpamorona angano, ny 23 aprily teny Anosy, dia isan’ny olana diavin’ny mpanoratra sy mpanatonta boky eto Madagasikara ny sandan’ny sangan’asa izay amidy tsy mifanaraka amin’ny vidiny tokony ivarotana azy. Nohamafisiny fa misedra olana koa izy ireo noho ny afitsok’ireo « piraty ».