Niaiky ny sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Richard Ravalomanana, fa nisy ny tsy fahalavorariana teo amin’ny fitantanana ny « Cellule mixte d’enquête ». Nanome toky izy fa hisy fanovana ny fomba fiasa eo anivon’ity vondrona mpanao fanadihadiana ity.













