“Tsy fanajana tsiambaratelo”, io no antony lehibe nangatahana ny fampiatoana an’i Thierry Rakotonarivo tsy ho mpikambana intsony ao amin’ny Vaomiera mahaleotena mpikarakara fifidianana (CENI) raha araka ny nambaran’I Fano Rakotondrazaka izay mpitondra tenin’ny CENI. Nohamafisiny izany, ny 19 martsa teny alarobia. Tsy hisy ny fanenjehana io filoha lefitra teo aloha io hoy hatrany ny tenany.













