Nizotra antsakany sy andavany ny fanadinam-panjakana CEPE raha ny tapak’andro marainan’ny 27 aogositra teo, raha ny namaran’ny lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra (CISCO), Lalaina Ramananantony. Vitsy ihany koa ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana. 28 723 anefa no isan’ny voasoratra anarana.