Andry Nirina Andriambololona, fantatra amin’ny anarana hoe Nino, matihanina amin’ny fanaovana sary sy sary itatra. Nandray anjara tamin’ny Fampisehoana sary an-tsehatra na “Concert dessiné en live “ tetsy amin’ny Alliance Francaise Andavamamba izy androany (16 april) ho fanehoana ampahibemaso izany talentany izany.
“ Somila “, tantara iray nentin’i Nino nampisehoana tamin’ny ankizy fa misy fomba Malagasy tsy mety atao amin’ny ankizy. Any amin’ny faritra avaratry ny Nosy iny, ny zaza teraka talata matetika dia ahiliky ny fiaraha-monina, kanefa tokony omena ny toerany amin’ny alalan’ny ezaka ataony.
Nitety faritra maro i Nino tamin’ity asa fanaovan-tsary ity, ka rehefa avy any Antsiranana ny tenany dia mandalo eto Antananarivo ary hihazo an’i Toamasina ihany ko. Ny taona ho avy no hikopak’elatra ho any ampitan-dranomasina izy, ao anaty tetik’asa iray izay iarahany miasa amin’ny Alliance Française Antsiranana.