CORONAVIRUS – Nandritra ny fifamindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia nanambaran’ny Profesora Ahmad Ahmad, fa efa nisy tolo-kevitra maromaro nalefa tany amin’ny Praiminisitra omaly 30 janoary 2020, fepetra ho raisin’ny fanjakana mahakasika ny valan’aretina « Coronavirus ».
Ny Lehiben’ny governemanta no mandray ny fanapaha-kevitra mifandraika amin’izany alohan’ny faran’ny herinandro, hoy ny tenany. Nanome toky ny Minisitra fa hatao izay fomba rehetra tsy hidiran’ity aretina ity eto Madagasikara.













