Manoloana ny fihanaky ny aretina coronavirus maneran-tany, dia maro ireo olom-pirenena no miomana amin’ny mety hahatongavan’io aretina io eto Madagasikara. Noho izany dia lany ny tahirin’ny sarom-bava eo anivon’ny toeram-pivarotam-panafody maro eto Antananarivo. Raha ny fanazavan’i dokotera Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka anefa, dia ny olona mitondra ny tsimok’aretina ihany no tokony manao izany sarom-bava izany fa tsy ny olona salama.