Ny SAMVA sy ny CUA no mifarimbona amin’ny fanalana tsentsina ny lakan-drano eto Antananarivo. Koa manatanteraka izany izy ireo amin’izao andro fahavaratra izao. Izany dia hitsinjovana ny fiakaran’ny rano. Tsy eny Besarety ihany anefa no anatanterahina ny asa fanadiovana fa hitohy eny amin’ny faritra maro eto andrenivohitra ny ezaka, hoy ny minisitra, Voahary Rakotovelomanantsoa, omaly 3 febroary.