Efa nanitsy faktiora 5000 tamin’ireo 40000 nojereny sy narahiny maso ny Jirama. Saingy mbola miantso hatrany ireo mpanjifa manana ahiahy amin’ny fidangan’ny vidin-jiro ity orinasam-panjakana ity hanatona azy. Tanjona amin’izany ny hitondra fanitsiana raha toa ka diso ny fatran’ny herinaratra na rano lany voasoratra tao anaty faktiora.












