Mamboly vary sy legioma toy ny karoty sy ovy no foto-piveloman’ireo tantsaha ao Ambatomainty, ao amin’ny kaominina Ambohibary, amin’iny lalàm-pirenena fahafito iny, 42 kilaometra tsy hidirana ny tanàn’Antsirabe.
Ratsy ny vokatra ovy raha ny fitantaran’i Fils Rafaliarimanana saingy tsaratsara kosa ho an’ny karaoty. Teo ampanadiovana ireo vokatra avy nohadiana teny an-tanimboly indrindra i Fils no mitantara ny fiainana iainan’ireo tantsaha toa azy. Io vokatra io no isan’ny hiantoka ny fiainan’izy mianakavy amin’ity taona ity.













