Fifanomezan-tanana mba ho fanoitra ho an’ny firenena. « Entanina ireo mpiantsehatra, mpiara-miombon’antoka sy ireo lehiben’orinasa hifantoka bebe kokoa any amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Satria any no ahafahana miady amin’ny fahantrana ka ahafahana mampandroso ny firenena. » hoy ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao nandritra ny fanokafana ny Foara iraisam-pirenen’ny fambolena, andininy faharoa, teny Tanjombato ny alakamisy teo. Ilaina ny mpiara-miobon’antoka saingy tsy tokony hiankin-doha be loatra amin’ireny isika hoy izy.
« Tombontsoa maharitra fa tsy mandalo fotsiny no andrasana » hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, mikasika ny tokony andrasana amin’ny fampandroana ny tontolo ambanivohitra. « Fotoana iray ahafahana misanerasera ny fisian’ny tsenaben’ny fambolena tahaka izao », raha ny nambarany.
Nilaza ny filohan’ny Antenimieran-doholona teo aloha fa manana tombony à Madagasikara. Nosinganiny ny fananana velaran-tany midadasika hambolena sy hiompina.
Mbola be tokoa mantsy ny asa miandry hametrahana tontolo ambanivohitra mamokatra ho an’ny tsena. « Isan’ny kitro iray ahafahana mampandroso ny tontolo ambanivohitra ny fananan-tany » hoy izy. Eo koa ny fametrahana fandriam-pahalemana ahafana mamokatra.
Isan’ny asa miandry nanipiazany teny ny tsy fandriampahalemana ateraky ny fiompina omby ka ilàna ezaka toy ny fanaovana « puce électronique ». « Mitarika korontana ny fiompiana ny omby ary mitarika ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny fiompiana », izany araka ny nambarany ka nahatonga azy nanosika ny ministeran’ny Fambolena sy fiompina ary ny tontolo ambanivohitra « hanomboka izany tetikasa izany ». « Maro ireo sakana izay manadalo eo amin’ny fametrahana izany tetikasa izany saingy ilaina ho amin’ny fametrahana ny filamnina eto amin’ny firenena », hoy hatrany Rivo Rakotovao.
Ny ministeran’ny Fambolena, fiompiona dia mahatratra amin’ny 36 tapitrisa hektara ny tany azo volena nefa telo tapitrisa hekatra fotsiny no voaasa hatreto. Ny tontolo ambanivohitra no hiasan’ny 85% -n’ny Malagasy.
Tsy dia mbola ahavitana mihary loatra anefa io sehatra io ankehitriny ho an’ny fianakaviana mivelona aminy. Ny 80%-n’ny fambolena, izany ahitana ny roa am-pahatelon’ny mponina, dia tafiditra amin’ireo sokajiana hoe « mahantra ». Mbola ny 60% n’ny famokarana dia mbola natao hohanina ary ny ambiny ihany no atolotra ny tsena. Tsy dia mbola mitondra arin-karena ho an’ny firenena loatra noho izany ny sehatry ny famokarana eny ambanivohitra na eo aza ny tany malalaka hiasana.