Samy nanana ny fanomanany ny fiverenan’ny mpianatra hanala fanadinana any an-dakilasy ny sekoly tsirairay. Misy anefa ireo mbola tsy tapa-kevitra ny hamerina ny mpianatra an-tsekoly, fa manohy ny fampianarana ampitain-davitra. Na eo koa aza ny fitaintainana amin’ny tsy maintsy hiverenan’ny ankizy any am-pianarana, dia afa-po amin’ny fanapahan-kevitra nanokafana ny sekoly indray ny ray aman-dreny sasany. Toy izany koa ny mpianatra.














