Fomba hamantarana ny fahavononan’ireo mpianatra hiatrika fanadinana ofisialy ny fanaovana fanadinana andrana. Fomba ihany koa ahafahana mahita raha vonona na tsia hampanao izany fanadinana izany ny rafitra isan-tsokajiny. Milaza ireo mpanabe fa amin’ny ankapobeny, na teo aza ny fisian’ny fihibohana sy ny fahamehana ara-pahasalamana dia vonona na ny mpianatra na ny rafitra hiatrika ny fanadinana ofisialy mamarana ny fanabeazana fototra.













