Mifarana androany alakamisy ny fanadinana bakalôrea ankapobeny ho an’ny ireo efa navita ny fanadinana ara-panatanjahantena. Rahampitso kosa izany ho an’ireo mpiadina mbola manao izany an-tsoratra. Tsy araka ny feo nandeha fa dia ny alatsinainy faha-24 ny volana septambra izao no hanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana fa tsy rahampitso zoma akory.
Momba izay fitsarana ny taratasim-panadinana izay dia nanamafy ihany ny eo anivon’ny sampan-draharaha mikarakara ny bakalôrea na « Service de baccalauréat » fa mipetraka hatrany ny naoty manintsana tsy maha-afa-panadinana ankoatry ny tsy fahazahoana ny salan’isa tratrarina. Ny fahazona ny isa aotra sy ny tsy fanatrehana ireo taranja tsy azo ialàna dia mahavoa izany fanintsanana izany na firy na firy ny salan’isa ankapobeny.
Hatreto dia nilaza ny eo anivon’ny sampana mpikarakara ny bakalôrea fa tsy afaka mandroso daty mety hivoahan’ny valim-panadinana. Torak’izany koa ny daty mety hanantanterahana ny fivoriana fanahapahana na « délibération » mikasika ny salan’isa hipetraka hahafahana fanadinana na tsia.
Hatreto dia tsy nisy feo mahakasika izay mety ho olana goavana niatrehana ny fanadinana .Nisy foana hatrany anefa ireo olana madinidinika sy ny tsy fahatongavan’ny mpiadina vitsivitsy teo am-panombohan’ny fanadinana.
Marihina fa miisa 74 811 ny mpiadina amin’ny fandaharam-pianarana ankapobe,ny sy tekinika ho an’antananarivo. Nitsinjara tamina foibem-panadinana 115 izy ireo ka 32 teto Antananarivo Renivohitra ary 83 teo anivon’ireo toerana manodidina an’Antananarivo.