FANAOVANA ARO VAVA AO AN-DAKILASY – Misy milaza ireo mpanabe fa tsy tokony ho voasakana ny fifantohan’ireo mpianatra
Misy amin’ireo mpianatra no mitaraina fa sempotra, voahelingelina ny fifandrenesana ao an-dakilasy, amin’ny fanaovana ny aro vava. Tsy maintsy miteny mafy na ireo mpianatra na ireo mpampianatra hoy i Rina Henintsoa Rajerisoa, mpampianatra.
Miaiky koa anefa i Marcel Oscar Onjatiana, talen’ny Sekoly Saint Joseph Mahamasina fa misy amin’ireo mpianatra no variana nohon’ny fanaovana aro vava, kanefa tokony hizatra izy ireo.













