Nohon’ny krizy ara-pahasalamana mianjady amin’ny firenena dia latsaka anaty lavaka lalina ny ankamaroan’ireo seha-piarihana. Tsy misy fidiram-bola intsony ireo mpandraharaha ka velon-taraina. Nanome toky anefa ny praiministra Christian Ntsay fa efa manao izay rehetra azo atao ny fanjakana.













