Matetika rehefa misy tranga tsy ampoizina, na manaitra, na maharary dia matetika i « Mama » foana no ao am-bava, i « Neny » foana no antsoina. Vitsy dia vitsy ireo miantso hoe « Papa » na « Dada », rehefa misy manjo azy. Rehefa misy zavatra tadiavina sy ilaina na dongiana dia matetika ny reny foana no antsoina sy tsaroana. Tsy hoe tsy mahavita anefa ny ray, ary azo antsoina tsara mihitsy rehefa misy ilana azy. Ankoatra ny andron’ny Fetin’ny Ray, izay ampahatsiahivina antsika fa amin’ny 19 Jona, isaky ny inona ianao no mahatsiaro an’i Dada ? Inona no andrasanao aminy ? Ary inona no atolotrao azy amin’ny alahady ? Olona vitsivitsy no namaly ny fanontanianay ao anaty horonan-tsary. Azonao atao eo ambany koa ny valin-teninao.














