Misy foana ny mitsoaka raha vao manomboka mahita olona maro mitsaoka manam-pahefana. Izy kosa ve ho tondroina molotra ho isan’ny mpanohana politika ilay manam-pahefana ? Na dia samy tononina sy vakiana hoe « mitsôka » aza ny « mitsoaka » sy « mitsaoka » dia samy manana ny heviny. Ny fanazavana omen’i Oliva Ramavonirina, tompon’andraikitry ny fikarohana ao amin’ny foibe momba ny teny ao amin’ny Akademia Malagasy.














