Nisokatra ny 07 aogositra teny amin’ny Kianja Maki, Andohatapenaka, ny Fier-Mada.
« Ny fanampiana ireo tantsaha no fanalahidy entina miady amin’ny fahantrana ». Io no nambaran’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritra ny lanonam-panokafana ny Fier-Mada andiany faha-21. Nampanantena sahady ny tenany fa hanome tànana ny mpikarakara ny hetsika amin’ny andiany manaraka.













