RENIM-PIANAKAVIANA MATIN’NY COVID 19 Efa nandalo tany Anjozorobe sy Analaroa i Malala vao nodidiana teny Anosiavaratra
Roapolo taona i Malala no nindaosin’ny fahafatesana noho ny Covid-19 ny 29 May lasa teo. Nanam-potoana namoahana ny zaza tao an-kibony ity renim-pianakaviana ity talohan’ny namoizany ny ainy. Tsy maintsy nalefa tany amin’ny Hopitaly Anosy Avaratra izy, rehefa nahatsikaritra ny mpitsabo tao amin’ny CSB-n’Anjozorobe sy hopitalin’Analaroa fa hananosarotra ny fiterahany noho ny fahasemporana hita teny aminy. Ny alin’ny niterahany ny zanany no nodimandry i Malala.













