“Matimaty foana ny havanay”. Nidina an-dalam-be naneho ny hatezerany ny mponin’Ankasina androany alarobia maraina. “Efa fanindroany izao no nisy olona maty tamin’ity arabe ity hatramin’ny nanesorana ny ‘dos d’âne’ teto”, hoy izy ireo nitaraina. Efa herinandro maromaro izay no nesorina ny dongona mandika lalana manapaka ny hafainganam-pandehan’ny fiara amin’iny lalam-baovao mandalo an’Ankasina iny. “Mirimorimo tsy miraharaha ny olona manapa-dalana ny fiara mandalo eo”, hoy ihany ireo mponina, sorena.
Tapaka tanteraka ny fifamoivoizana mampitohy an’Ankazomanga amin’Andohatapenaka io alarobia maraina io. Nandoran’ireo mponina kodiarana eny afovoan’ny arabe hanakanana ireo fiara mandalo ka na ny kodiaran-droa, bisikileta sy moto aza, asain’ireo mpitokona miverina. Efa tonga eny an-toerana ny mpitandro ny filaminana saingy mbola mitohy ny sakan-dalana miteraka toham-boivoy eny Andohatapenaka sy eny Ankazomanga hatramin’ny 8 ora maraina teo.













