Tsy orinasa tokana intsony no mahazo manao tolotra « fibre optique » ahafahana mahazo Internet haingam-pandeha eto Madagasikara. Efa afaka misehatra eo amin’io tontolo io ankehitriny ny Gulfsat Madagascar raha ny nambaran’ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra. Ny hanamorana sy hanatsarana ny tolotra momba ny teknolojia vaovao no antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany, hoy izy.













