Atody, koba kasaka ary kobam-bary no nozarain’ny sekoly tsy miankina Sainte Thérèse Ilanivato tamin’ny mpianatra tao aminy, ny mpampianatra, ny mpanabe ary ireo olona sahirana monina eny amin’ny manodidina ny sekoly. Ny fanampiana avy amin’ny Agrikoba sy Agrifarm no nahafahan’ity sekoly ity nifampizara tamin’ny manodidina azy. Toy ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina dia nisedra fahasahiranana ihany koa ny sekoly katolika Ste Thérèse tetsy Ilanivato vokatry ny fihibohona.













