FIFIDIANANA BEN’NY TANANA SY MPANOLOTSAINA, 386 IREO FANGATAHANA FANDRAVANA DIDY VOARAIN’NY FILANKEVIM-PANJAKANA
Tsy didy tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana raha ny raharaha mahakasika ny valim-pifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna natao ny 27 novambra 2019 no asian-dresaka. Mbola azo natao ny nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny Filankevim-panjakana hoy i Hery Rason, Mpikirakira fifanolanana ara-pifidianana ao amin’ny Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy).
386 araka izany ny isan’ireo antota-taratasy fangatahana fandravana didy voarain’ny Filankevim-panjakana raha araka ny tatitra nataon’i Benjamin Alexis Rakotomandimby, Kaomisera Jeneralin’ny lalàna ny 27 febroary. Ny fiandrasana ireo didy ireo anefa, hoy ny fanazavany, dia tsy manakana ireo ben’ny tanàna izay efa amperin’asa ankehitriny hanatanteraka ny andraikiny.













