2424.mgArticles similaires
Ny voalohan’ny volana desambra 2019 no nosokafana ny lisi-pifidianana ka nakatona vonjimaika izany ny 28 febroary. Isan’ny tsikaritra nandritra ity fanavaozana ity ny tsy faharisihan’ny olom-pirenena nanoratra ny anarany. Araka ny nambaran’i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny Komity mahaleotena mikarakara fifidianana (Ceni), ny 28 febroary teny Alarobia, dia manodidina ny 2,61% monja ny fiakaran’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana raha oharina amin’ny lisitra teo aloha.













