Nisokatra anio 28 novambra ka hatramin’ny andro hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika, izay eritreretina, ny 16 desambra 2019, ny fandraisana ireo fitoriana nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny andron’ny fifidianana. Nanambara izany i Therry Rakotonarivo, filoha lefitry ny Komity mahaleotena mikarakara fifidianana (CENI), anio (28 novambra), teny alarobia.
Nanome fanazavana mahakasika ny lisi-pifidianana nampiasaina nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ihany koa ny tenany. Raha ny fitoriana mahakasika ny voka-pifidianana kosa dia azo apetraka manomboka ny ampitson’ny daty hivoahan’ny vokapifidianana vonjimaika farany ka hatramin’ny fampahalalana ny vokapifidianana ofisialy, izay heverina hivoaka ny 14 janoary 2020.