Niverina namonjy sekoly ireo mpianatra hanala fanadinana rehefa nisy fihatoana nandritra ny herinandro maromaro nohon’ny valan’aretina Coronavirus. Misy noho izany ny fikorontanan’ny tetiandrom-pampianarana. Raha ny mahakasika ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana dia nanazava ny amin’ny mety hihemoran’izany na tsia i Rijasoa Josoa Andriamanana, minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa.