Renim-pianakaviana anankiray anisan’ireo 213 nody teto Madagasikara tamin’ny faha-6-n’ny volana Jolay i Tina Razafinimanana. Tsy maintsy nody aho, hoy izy, satria efa dimy volana tsy nihaona tamin’ny vady aman-janako. Nitandrina izahay satria tsy izahay no hitondra aretina ho an’ny olon-tianay, hoy hatrany izy. Inona no antony nanapahanao hevitra fa hody ? Iza no nandray an-tanana ny fodiana ? Nanao ahoana ny fandraisana taty Madagasikara ? Tsy maintsy nody ve fa tsy tsara kokoa ny nijanona tany ivelany indrindra hoe misy valanaretina aty ?













