FITATERANA – Ny zoma faha 20 ny volana septambra no hifindra eny amin’ny tobim-piantsonana MAKI Andohatapenaka ny zotra mankany Toamasina sy Fénérive-Est izay mitoby etsy Ambodivona. Na izany aza dia mbola misy ireo kaoperativa no tsy manaiky io fanapahankevitra io. Eny Andohatapenaka kosa dia manambara ny tomponandraikitra fa efa vonona ny amin’ny fandraisana izy ireo.













