POLITIKA – Maro ireo fitoriana tonga teny amin’ny Fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana kanefa tsy nisy fiantraikany tamin’ny valim-pifidianana. Nandritra ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny Ivontoerana Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia Ifarimbonana (Safidy) sy ny Fikambanana manampy amin’ny ady amin’ny fanjakana (Anja), ny 05 septambra teny Anosy, dia ho hatsaraina ny fomba fitoriana ara-pifidianana. « Ny tanjona dia ny mba hivoahan’ny tena rariny sy hitsiny amin’ny lafiny fifidianana », hoy ny filohan’ny fikambanana ANJA.













