Namerina ny velirano tamin’ny vahoakan’ny Faritra Atsimo ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina taorian’ny diany tany Washington. Nanome toky izy fa tsy hivadi-belirano mihitsy amin’ny mponina any Atsimo. Hanomboka tsy ho ela, alohan’ny faran’ny taona, hoy izy, ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-10 mampitohy an’Ambovombe sy Andranovory. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena vao nosoniavina tany Washington no hanaovana azy io. Notsindriany ihany koa fa hanome valin-teny amin’ny fangatahan-kevitra nataon’ny governementa taminy ny Vondrona eoropeanina, hahafahana manomboka tsy ho ela ihany koa ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 izay efa nandrasana ela ny fanombohana azy.














