Na dia tsy mitovy aza ny fiangonana, iray ihany isika ao amin’i Kristy. Izany no lohahevitra lehibe nasongadin’ny mpino kristianina nandritra ny Androm-bavaka maneran-tany na ny Global Day of Prayer (GDOP), izay notanterahina ny 8 jona tao Mahamasina. Naneho firaisankina tamin’ny alalan’ny fanandratana ny anaran’i Kristy sy ny fitondrana am-bavaka ny firenena izy ireo. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny tanora.













