GOVERNEMANTA VAOVAO – Ny fifehezana ny vidin’entana sy ny fanamboarana ny foto-drafitr’asa eto amin’ny firenena no laharam-pahamehana hoy ny Praiminisitra, Christian Ntsay, nandritry ny fifamindram-pahefena tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.
Nambarany ihany koa fa ny fahaiza-manao sy ny fitiva-tanindrazana no takiana avy amin’ireo minisitra vaovao ahafahana manatratra ny politika ankapoben’ny fanjakana.