GPS AMIN’NY TAXI-BE – 3 volana mahery sahady izay no nanombohan’ny fampiasana ny GPS tamin’ireo Taxi-be nofantenana teto Antananarivo. Hatreto dia mbola hita ho mizarazara ihany ny hevitry ny mpamily mahakasika azy ity. Raha efa manomboka resy lahatra amin’ireo tombotsoa entiny ireo izay efa mampiasa izany, dia hita ho mbola malaina kosa ireo sasany hiditra amin’izany, nohon’ny antony maro samihafa. Anisan’ireo resy lahatra i Parfait, mpamily. Na dia vao tapa-bolana ary izy no nampiasa ny GPS dia tsapany ny fihatsaran’ny asany mihoatra nohon’ny tamin’izy mbola tsy nampiasa izany.













