HABA HO AN’NY KATSAKA SY NY FAIKA – Nanome soso-kevitra ho solon’ny fandoavana haba amin’ny katsaka sy faika, ireo mpiompy sy mpandraharaha mikambana, eo anivon’ny Malagasy Professionnels de l’Elevage (MPE). Nandritra ny fihaonana niarahan’izy ireo tamin’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimieran-doholona, androany faha 06 desambra, no nanambarany izany.
Hetra araka ny isam-biby, na arakaraka ny velaran’ny dobo (raha trondro no ompiana), no hitan’izy ireo fa mety indrindra ho an’ny sehatry ny fiompiana.













