Ela vao voafehy ny afo nandoro ity trano iray may tetsy Ambalavao Isotry ny sabotsy alina teo. Nananosarotra vao nahita rano hamonoana ny afo ny mpamonjy voina tonga teny an-toerana. Lehilahy iray no namoy ny ainy noho ny loza. Fianakaviana fito no tsy manan-kialofana noho ny hain-trano. Tsy fahatomombanana teo amin’ny kojakoja mandeha amin’ny herinaratra no niavian’ny loza raha ny vaovao nampitain’ireo mponina tao amin’ilay trano may.













