Tontosa androany ny fihofanana nataon’ireo mpianatra izay handalina momba ny toetry ny fianakaviana sy ny fahantrana misy eto Madagasikara. Natao moa izany mba hanitsiana ny maridrefy nisy teo taloha. Mahatratra hatramin’ny 124 eo ireo tanora nahazo fihofanana, ary hiparitaka amin’ireo faritra 22 manerana ny Nosy izany ka haharitra erin-taona ny asa.