FANESORANA MPIVAROTRA AMORON-DALANA – Mitohy hatrany ny asa fandaminana an’Antananarivo Renivohitra ataon’ny mpitandro filaminana. Androany 17 janoary dia teny amin’ny faritra Anosibe sy Anosizato ny fanalàna ireo mpivarotra amoron-dalana. Noesorina tamin’izany ireo trano hazo sy « kioska » amin’ny ny sisin’arabe izay tao anaty fimonomonoman’ireo mpivarotra.