Misedra olana ny tontolon’ny hosodoko eto Madagasikara.
Hanangana rafitra hampidirana ho taranja any an-tsekoly ny resaka zava-kanto ny ministera’ny Kolontsaina sy ny serasera. Ary omena anjara toerana lehibe ao amin’ny « Académie Nationale des Arts et de la Culture » ireo mpisehatra amin’ny hosodoko.
« Tsy ampy fanabeazana ara-kolontsaina isika » hoy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Francis Razafiarison. « Raisin’ny olona ho haingon-trano fotsiny ny hosodoko » hoy kosa ny voalazan’i Jean Gervais Rajaonarison, Filohan’ny Association des Artistes Plasticiens de Madagascar (AAPM).
Tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny fitaizana ny ankizy amin’ny fitiavanany hosodoko sy ny kanto malagasy. Eny anivon’ny Oniversite vao misy ny fampahalalana ny fototra momban’ny kanto sy ny zavakanto na ny « arts ». Tsy ampy ihany koa ny sehatra hivelaran’ireo mpanao hosodoko ary tsy hahitana ireo akora fototra ilaina amin’izany eto amintsika, hany ka voatery manafatra izy ireo.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 20 mey tetsy amin’ny Alliance Française Andavamamba ny faha-210 taonan’ny Hosodoko Malagasy. Mandritry ny folo andro dia hisy fampiratiana ireo asa tanana eny an-toerana, karakarain’ny Association des Artistes Plasticiens de Madagascar.