Hatreto aloha dia mbola tsy ara-dalàna ny fanamboarana, ny fivarotana ary ny fitaterana ny toaka gasy. Tsy neken’ireo loholona ny tolo-dalàna naroson’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Jean Brunelle Razafitsiandraofa momba io toaka gasy io. Ho fitsinjovana ny fahasalamana no antony tsy mbola anekena ity toaka gasy ity ho ara-dalàna, hoy ny loholona Herilaza Imbiki. Ny hahafahana mametraka ny fitsipika hifehy ity vokatra, izay tsy afa-misaraka amin’ny kolontsaina malagasy ary ampiasana Malagasy maro no antony tokony hananana lalàna mifehy azy, hoy kosa ny solombavambahoaka Jean Brunelle Razafitsiandraofa.














