KOLOTSAINA – Misokatra hoan’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny « Hakanto Contemporary ». Ny fampiroboroboana ny zava-kanto malagasy moa ny tanjon’ny fanokafana ity toerana ity, ary ampirisihana ihany koa ny fifanakalozana amin’ny olona avy any ivelany.