ANDRAISORO – Anisan’ny toerana tena mijaly rano eto Andrenivohitra ny faritra Andraisoro. Na dia teo aza ny fanomezan’ny ministeran’ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo siniben-drano hamahana ny olan’ny mponina dia mbola tsy maharaka ny filan’ny faritra enina (6) misy eny an-toerana anefa izany.