Nametraka amin’ny fomba ofisialy ny maha antoko mpanohitra azy teny amin’ny ministeran’ny Atitany ny antoko Tiako i Madigasikara. Nanambara ny sekretera jeneralin’ny TIM, Olga Ramalason, ny 02 jolay teny Anosy, « Fa izao no natao mba ho fanarahana ny lalàna velona misy eto Madagasikara ». Nomarihiny koa fa ny fijoroana ho mpanohitra dia mba hahafahana manatanteraka ireo vinam-piarahamonina sy ireo programan’asa ary koa mba fampanjakana ny demokrasia.